Maro ny zava-bitan’ny orinasa MVola fa tsy vitsy koa ny ezaka hotohizana. Nilaza ny tale jeneraly (CEO), Louis Olivier Favot, fa anisan’ny voalohany nahazo ny satan’ny fifanakalozana ara-bola amin’ny maha banky, ny MVola tamin’ny taona 2023. Sangany amin’ny lafiny fifanakalozam-bola niomerika ity orinasa ity. Notsorin’ny mpitantana ny MVola, fa sangany […]
Mois : février 2024
Halatra posy : 2 lahy saika matin’ ny fitsaram-bahoaka
Mirongatra izaitsizy ny asan-jiolahy ao Toamasina. Halatra moto, posy, vaky trano ary fanendahana no tena manjaka tanteraka ao an-toerana. Taorian’ny fivoahan’ireo voafonja nisitraka ny famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenena no voalaza fa nampirongatra indray ity tsy fandriampahalemana ity. Vokany, andian-jiolahy tratran’ny fitsaram-bahoaka tao Morafeno Toamasina raha efa nifanenjehana eran’ny tanàna. Voalaza […]
Holafitry ny mpanao gazety : mitohy ny fiaraha-miasa amin’ ny Agence Dujardin Delacour&Cie
Miray vina sy tanjona eo amin’ny sehatry ny haino vaky jery amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny roa tonta. Fahombiazana no azo ilazana ny roa taona niarahana niasa, araka ny nambaran’ny mpitantana roa tonta. Tontosa, omaly, teny amin’ny birao fiasan’ny Ordre des journalistes de Madagascar (OJM), Ambohidahy, ny fanavaozana ny […]
INDRAY MIJERY
Anjaran’ny distrikan’i Manja, kaominina Andranopasy, ny nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny lasibatra nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro ny mponina tao. Niisa 1 156 ireo olona nisitraka izany, tao amin’ny fokontany 7. Vary milanja 14 450kg no nozaraina. Nisy ny fampiofanana ireo olona amin’ny fanamboarana rarivato “pavé” hanaovan-dalana teny Ambohidratrimo, […]
Kongresy Eokaristika Nasionaly : hiainan’ny kristianina ny sakramentan’ny fampihavanana
Hotanterahina any Antsiranana, ny 23 – 25 aogositra 2024 izao, ny Kongresy eokaristika Nasionaly. Ny fihavanana no manasitrana an’izao tontolo izao. “Mpiray tampo avokoa ianareo” ny lohahevitra amin’izany. “Miavaka ny hetsika satria hanomezan-danja bebe kokoa ny sakramentan’ny fampihavanana. Ivon’ny fankalazana sy ny zavatra atao rehetra ihany koa”, hoy ny Mgr […]