Mois : février 2024

“Diovy i Madagasikara” : Tsy handray anjara amin’ny fifidianana

“Ny lojikan’ny fijoroanay, mitaky ny fiverenana amin’ny fanjakana tan-dalàna: tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay fantatra fa hanome hasina ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao”. Io ny nambaran’ny ny Cellule de crise “Diovy i Madagasikara”, Ralaiseheno Guy Maxime, teny Antsakaviro, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ato ho ato. Tsy […]

Faritra Bongolava : mangataka hatrany ny fanoloana governora ny depiote

Resaka tsy vita? Manga­taka hatrany ny fanoloana ny governoran’ny Faritra Bongo­lava ny depiote IRD voafidy tany Tsiroanomandidy, Ra­maherijaona Hajanirina.”Nisy governoram-paritra telo nosoloina teo. Miandrandra izahay ary mbola mipetraka ny fangatahanay ny hanoloana azy, fa tsy misy zava-bita”, hoy izy ny amin’izany. Ny lalana nataony any Fenoarivobe mankany Tsi­roanomandidy izao, efa […]

Rabevahiny Elia : «Ny fifampiresahana no handaminana ny firenena»

Hanao ahoana ny fiatrehana ny fifidianana manaraka eo? Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “Tsy ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote akory no handamina ny firenena fa fifampiresahana handaminana ny zava-drehetra aloha”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Rabevahiny Elia (-): Amin’izao, tsy […]

TARATRY ny KANTO

Mila tolo-tanana koa i Lalie. Marary ka nampidirina ao amin’ny hopitaly Befelatanana i Lalie. Nanao antso hanampiana azy izy. Tazana amin’ny horonantsary nataony fa mibontsina ny kibony, ka mila fizahana isan-karazany vao afaka miroso amin’ny fandidiana. Tsy niandry ela fa avy dia nanao ny fanentanana ireo mpanakanto namany. « Moramora […]