Mois : février 2024

Tombontsoan’ny besinimaro

  Andao mba hiresaka asa fanaovan-gazety anio! Tsy misy antony manokana loatra fa ny andraikiny manoloana ny zava-miseho no handeha ho asian-teny. Tanjona ny mba hialana amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Na eo amin’ny sehatry ny asa izany, na eny amin’ny fianana andavanandron’ny mponina. Resabe ireny […]

Raharaha andramena: fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014

Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana (DGD), Lainkana Zafivanona, fa fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014 ilay raharaha andramena tany Tanzania. Filoha miara-mitantana ny fifanarahana hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena ihany koa ny tenany. Nisy andramena avy aty Madagasikara tratra ta­ny amin’ny seranan-tsam­bon’i Mombassa (port d’éclatement) any Kenya, natao tanaty kaontenera miisa 34 […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay lehilahy nanolana ankizivavy 14 taona, teny Sabotsy Namehana. Mpifanerasera akaiky tamin’io lehilahy io ilay lasibatra. Nitoriany fitiavana io ankizivavy io saingy nanda hatrany ka nanamparany ny filan-dratsiny. Renim-pianakaviana iray hita faty tao anaty kirihitra, tao Fandrava, fokontany Mananjary, kaominin’Ibity, distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny sabotsy teo. […]

Sahasinaka: lamasinina nivadika, olona telo namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby indray tao amin’ny PK 110, Saha­si­naka Fenomby, distrikan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 30 mn. Zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara (FCE) no nivadika, nivoaka ny lalamby teny am-pandehanana. Vokany, olona telo indray namoy ny ainy, ny iray maty voatsindry tao ambany lamasinina, iray […]

Vao nivoaka ny fonja: vehivavy tratra teo am-pivarotana rongony

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, afakomaly, ireo vehivavy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina Anosy, teny Itaosy sy Ambo­hi­tri­manjaka, izy roa vavy, ny 29 janoary 2024 lasa teo. Fivarotana rongony sy fahatrarana fitaovana fihinanana zava-mahadomelina […]