Nanomboka tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Tranompokonolona Ankorondrano Andrefana, ny fizarana tohanaina andiany voalohany ho an’ireo fokontany miisa 5. Ireo olona nifanome tanana tamin’ny asa fanadiovana ny lakandrano Andriantany sy C3 ary ny lakandrano eny anivon’ny fokontany, boriborintany fahatelo, no nisitraka izany. Vita omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny valanjavaboahary […]
Mois : février 2024
Certificat Pix: 118 mianadahy nisitraka mari-pankasitrahana
Tanora 118 mianadahy, mpianatra, mpampianatra mpikaroka ary mpandraharaha ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa no nahavita fiofanana sy afaka tamin’ny fanadinana, izay ahazoana ny certificat PIX. Notolorana ny mari-pankasitrahana izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Manan-kery eo sehatra iraisam-pirenena ny ceryificat Pix. Ny oniverisiten’i Fianarantsoa no be mpandray anjara indrindra ka namoaka mari-pahaizana […]
Breeanna Elliott: misy aretina sarotra tsaboina nefa sitran’ny raokandro
Mifototra amin’ny tantaran’ny siansa sy ny fitsaboana eto Madagasikara ny fikarohana ataon’i Breeanna Elliott. Nilaza izy fa maro ny tombontsoa azo amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ary misy ny karazan’aretina tsy hitan’ny siantifika. Mpianatra mpikaroka ao amin’ny Yale University any New Haven, CT i Breeanna Elliott. Mpahay tantara sy mpanao asa fikarohana […]
TARATRY ny KANTO
« Hampiaraka in-35…», etsy amin’ny CGM Analakely. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ity « atsam-pitia », izay atolotry ny Faribolana Sandratra ity. Fotoana hiantsan’ireo mpikambana ireo tononkalom-pitia, anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha-35 taonan’ny Faribolana. Ambohimanga Rova – Hisy fambolen-kazo, anio. Nosafidian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera manokana ity harem-bakoka iraisam-pirenena ity, […]
Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy: mankalaza ny faha-67 taona nanoratana
Notanterahina omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny lanonana fanokafana ny fankalazana ny faha-67 taona nanoratan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy (E. R. R). Malagasy mpanoratra anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra, eny amin’ny ambaratonga faharoa. Manampahefana maro, avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina sy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, niaraka tamina […]