Mois : février 2024

Andron’ny sekoly : fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra

Mbola ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny se­koly ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasi­kara amin’izao fotoana izao. Ma­ro ny hetsika nen­­tin’ny sekoly ankalazana iza­ny. Fotoana ha­nehoana firaisankina eo amin’ny samy mpianatra sy ny tomponandraikitry ny sekoly izany. Nanomboka omaly ary hifarana ny 1 Martsa izao izany, araka ny tetiandro navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. […]

FANTINA sy FINTINA

Hanohy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasi­kara ny International finance corporation (IFC) amin’ ny fampandrosoana ny tontolon’ny fiompiana eto Mada­gasikara. Voaresaka ireo sehatra laharam-pahamehana toy ny ronono, ny hoditra ary ny fitanterana sakafo mora simba. Hojerena ihany ny paikadim-pampandrosoana ny sehatry ny henan’omby. Tanterahina ao amin’ny faritra Atsinanana ny drafitrasa “Fia Mora” […]

WWF : fiatrehana ny ambana voajanahary

Hamafisina ny fahafahana miatrika ny fiovan’ny tontolo iainana, sady hampihenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana, ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fitantanana maharitra ny rohy voahary. Toy ny fampihenana ny ambana voajanahary, ny rivodoza, ny tondra-drano, ny haintany, ny fihohatsahan’ny tany sy ny sisa. Izany rehetra […]

Mihodinkodina am-pitoerana

  Anatin’ny vanim-potoana hanomanana sy hiomanana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ny Malagasy ankehitriny. Andaniny, amperinasa tanteraka ny mpikarakara toy ny birao mahaleo-tena momba ny fifidianana na ny Ceni. Efa mamaramparana ny mpamita lisi-pifidianana. Samy midehadeha kely eny amin’ny tambajotran-tserana toy ny facebook ny isam-paritra fa nahatomombana ny iraka nankinina taminy. […]

Fifanakalozana ara-barotra aty Afrika : manomana ny paikady mahomby i Madagasikara

Manomana ny fidirana ao amin’ny ZLE aty amin’ny kaontinanta Afrikanina i Madagasikara. Hofaritana ireo paikady nasionaly enti-manatanteraka ny fifanarahana. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy ny ta­lata teo, teny Anosy ny tetikasa PA-ZLECAF izay hamaritra sy hanohana ireo paikady nasionaly ho an’ny tombontsoa eo amin’ny fifanakalozana malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina. Hi­andraikitra ny […]