Mois : février 2024

Fihetsiketsehana no betsaka : malaza tsy ampiasaina toy ny « teny ibeazana »

Manana ny teny malagasy ny Malagasy. Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny teny ibeazana ny Malagasy… Saingy, ny voalohany malaza tsy ampiasaina, ny faharoa ny fihetsiketsehana no betsaka. Misy olona na vondrona olona mikendry ny hamotika tante­raka ny teny malagasy eto. Anisan’izany ireo minia mikipy manoloana ny tena zava-misy […]

Havatsa Upem : novelomina an-tsehatra ny tonokalon’ny mpikambana

Tontosa omaly, teny amin’ny efitranon’ny Kolontsaina, Lisea an’Ampefiloha (LMA) ny “Antsa Tononkira”. Hetsika namelomana an-tsehatra ny tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa Upem. Anisan’ny novelomina ny tonokalon’i Odéam Rakoto, Dox, Célestin Andriamanantena, Rado, Cla­risse Ratsifandriamanana, Abel Andriamalala… Ankoatra ny fiantsana sy fihirana ny tononkalo, nisy ihany koa ny fampirantiana ny asa soratr’ireo […]

Andro iraisam-pirenena hoan’ny teny ibeazana : “Ezaka hatao ny fampiroboroboana ny fiteny isam-paritra”

Marihina isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Misy ny fanamby ho an’ny fampiroboro­boana ny teny malagasy, izay tenindreny, teny ibeazana ho antsika. Manankarena fahasamihafana izany. “Tenindreny, teny mampandroso”, io no loha­hevitra nosafidiana nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin­dreny, omaly. Nisy ny lanonana tsotra fa manan-danja, nanamarihana izany […]

Ho fiarovana ny zaza malagasy : mila sokafana ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovo

Tanora eo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 24 taona ny 32%-n’ny Malagasy. Efa mi­ro­so aloha loatra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo avokoa ny ankamaroan’ny ankizy sy ny zatovo ankehitriny, raha ny zava-misy eto Madaga­sikara. Noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana mahakasika eny anivon’ny fianakaviana sy ny sekoly no anton’izany. Efa miroso sahady amin’ny firaisana […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 134 004 t ireo vokatra notanterina tamin’ny zotra an-dalamby nandritra ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nahitana fitomboana hatrany amin’ny 48,89% izany raha oharina tamin’ny taona 2022 izay manodidina ny 90 534 T. Tombony amin’ny zotra an-dalamby ny fandalovany amin’ireo faritra tsy tongan’ny fiara izay manampy amin’ny fitaterana. Hiara-hiasa ny […]