Andohatapenaka : telo lahy nitam-piadiana lavo

Nifanenjehan’ny polisy, maty voatifitra ny jiolahy iray anisan’ireo nangalatra moto teo Andriantany, lalana mihazo an’i Mahitsy, omaly. Mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC1 no nahatsikaritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy telo lahy. Nosakanan’ireo jiolahy ireo ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Nalain’izy ireo ny moto nentin’io mpandalo io. Nitsoaka niaraka tamin’ny moto miisa roa ireo nanakan-dalana. Raikitra ny hazalambo. Nihazo ny lalan’Ambohitrimanjaka ireo tsy vahalara. Tsy namela mahazo, nanara-dia hatramin’ny farany ny polisy. Nikiry handositra tany Andriantany manitsy hivoaka an’i Mahitsy ireo telo lahy. Nijanona ireto farany ka namoaka ny basy teny aminy ary nitifitra ny mpitandro filaminana nanara-dia. Namaly tifitra ny polisy. Vokany, lavo nandritra ny fifandonana mahery vaika ny jiolahy telo. Tratra teny amin’izy ireo ny sabatra lavalela niampy basy. Moto halatra avokoa ireo roa sarona teny amin’ireo tsy mataho-tody maty voatifitra ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: