Lasan’ny dahalo mitam-piadiana ny vehivavy roa sy ny lehilahy roa tao Brieville, Tsaratanàna, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 29 febroary teo.
Nentin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika an-keriny ny vehivavy roa sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Tombokatsy, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratànana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, tao amin’io tanàna io, ireo dahalo miisa fito lahy. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny Kalachnikov, nampihorohoro avy hatrany ny tompon-trano izy ireo. Poa toy izay, nirefotra ny basy. Naratra vokatry ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy ireo ny raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona. Ity farany izay nikasa hanohitra ireo tsy mataho-tody. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny vehivavy roa 16 taona sy 30 taona. Nataony takalonaina niaraka amin’ireo koa ny lehilahy roa. Vokany, olona efatra lasan’ ireo dahalo fito lahy.
Naratra mafy…
Nanoloana ny tifitra nahazo azy, avotra soa aman-tsara ilay raim-pianakaviana voan’ ny bala. Nentin’ireo mponina manodidina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany io naratra mafy io. Tetsy ankilany, nanao ny fanarahan-dia ireo mpaka an-keriny ny zandarimaria miasa ao Andriamena. Mbola anatin’ny fikarohana tanteraka izy ireo, araka ny tatitry ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao an-toerana. Tsy mifanalavitra tamin’ ny endrikendrik’ireo naka an-keriny tao amin’ny tanànan’ Ambakireny, Tsaratanàna, izay nanao asa fampihorohoroana herinandro vitsy lasa ireto naka takalonaina tao Brieville ireto.
Tsiferana R.