“Tsy miady an-trano ny Upar na ny TGV”, hoy ny mpikamban’ny Upar Fianarantsoa, Rakotoniaina Pety. Namaly ny fielezan’ny vaovao tsy marina ny
amin’ny fifamaliana an-tsehatra tamin’ny hetsika tany an-toerana, ho fisaorana ny vahoaka noho ny nahavoafidy ny filoha Rajoelina Andry ny tenany.
Nanapa-kevitra hiara-dalana amin’ny vovonana Firaisankina amin’ny fifidianana depiote koa ny eo anivon’ny antoko Kintana. Nitarika ny fivoriana tamin’ny fanapahana izany i Tabera Randriamanantsoa. Hanohana ny kandidàn’ny Tim, ProSiteny, HVM, APM ary ny Tsara tahafina izany izy ireo.
Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny parlemanta rosianina sy malagasy. Nivoitra izany tamin’ny fivoriana ampitain-davitra, niarahan’ireo mpikambana anatin’ny vondrom-pifankatiavana parlemantera rosiana sy malagasy, afakomaly.
Vonona hanampy ara-bola amin’ny fifidianana i Alemana, araka ny nambaran’ny masoivohony, i Michael Hause, teny Ambohimiandra, afakomaly. Nanteriny koa fa hanohana ny fandaharanasa ankapobeny (PGE) koa izy ireo.