Fiadidiana ny Repoblika: maherin’ny 700 ireo CV ho sekreteram-panjakana

Nifarana omaly ny fanaterana ny antontan-taratasy (CV) ho an’ireo maniry ho eo amin’ny sekreteram-panjakana (SE) anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anjaran’ny filoham-pirenena avy eo ny mifantina ireo ho amin’izany toerana izany.

Nivoaka tao amin’ny tambajotra kaonty “Linke­din” eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa miisa 765 ireo CV voaray hatramin’ ny fotoana farany, omaly. Hiroso amin’ny fandraisana an-tanana araka ny masontsivana efa napetrany amin’ny fifantenana azy ireo ny filoha Rajoelina Andry sy ireo mpiara-miasa aminy, manomboka izao. Mandalo dingana samihafa anefa izany ka eo aloha ny fanokafana ireo dosie sy ny fifantenana savaranonando, araka ny loharanom-baovao voaray. Hamarana ny fijerena izany ny eo anivon’ny fiadi­diana ny Repoblika, miaraka amin’ny filoham-pirenena.
Tsiahivina fa miisa 11 ireo SE ka anisan’izany ny hisahana ny fampidirana herinaratra eny ambanivohitra sy ny tokantrano. Ny SE hiandraikitra ny ady atao amin’ny fahantrana sy ny fiahiana sosialy. Ny misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Eo koa ny SE ho amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Ma­nampy izany ny miandraikitra ny toekarena sy ny planina.

Fanapahan-kevitry ny filohan’ ny Repoblika

Arahin’ny SE mikarakara ny momba ny tanora sy ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina. Eo koa ny misahana ny “Digitalisation” sy ny fitantanan-draharaham-panja­kana. Ny SE miandraikitra
ny varotra sy ny fanjifana. Anisan’ny hametrahana izany koa ny hiandraikitra ny asa tanana ary ny SE eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika miandraikitra ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Araka izany, andrasana ato anatin’ny herinandro vitsy, miainga amin’ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ireo 11 hahazo izany toerana izany.

Synèse R.

Partager sur: