Fifandraisan-davitra : azon’ny Telma ny amboara “Ookla 2023”

Manombana ny tanjaky ny internet ny rafitra iraisam-pirenena mahaleo tena Ookla. Ao anatin’izany ny fijerena ny hafainganam-pandehan’ny tambajotra sy ny teknolojia ampiasaina. Azon’ny orinasa Telma ny amboara “Ookla 2023”, manana ny hafainganam-pandeha ambony indrindra eto Madagasikara. Mam­piavaka azy ny fahombiazana vitany amin’ny tambajotra, ny fiparitahany manerana ny Nosy, sns. Nahatratra 37,84 ny isa azony nandritra ny andrana natao tamin’ny fitaovam-pandrefesana Speedtest nataon’ny Ookla, raha 17,94 sy 6,84 ny isa azon’ny mpifaninana roa aminy eto an-toerana.
Nilaza ny Administratera tale jeneraly (ADG)-n’ny Telma, i Patrick Pisal Hamida, fa «ni­itarina 100% ny teknolojia 4G tamin’ny taona 2023, mba hahenika an’i Madagasikara manontolo. Taratry ny faha­tsapan’ny rehetra ny ezaka nataonay ny nahazoana izao loka izao, hanatsarana ny tolotra eo amin’ny fifandraisan-davitra ho an’ny mpanjifa».

Ho an’ny filoha sady mpitantana ny Ookla, Stephen Bye, «natao ho an’ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra hita fa nahavita ezaka be amin’ny hafainganam-pandehan’ny tambajotra ity loka ity, ho an’ny telo volana fahatelo sy fahefatry ny taona 2023. Faly tokoa izahay fa azon’ny Telma izany, satria nomeny tolotra avo lenta ny mpanjifany».

Njaka A.

Partager sur: