Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ ny fikambanana Fitia ary tompondaka amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG), Rajoelina Mialy, ny solontenan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), Josiane Yaguibou, tamin’ity herinandro ity. Nidinika ny fiaraha-miasa ho an’ny taona vaovao sy ny hetsika manokana fanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ ny zon’ny vehivavy ny 8 marsa ho avy izao izy ireo. Mbola naneho ny fahavononany hanohy ny ezaka rehetra natao hiarovana ny ankizivavy sy ny vehivavy amin’ny herisetra sy ny fampanambadiana ny ankizy ny filohan’ny fikambanana Fitia. Hiara-hiasa aminy rahateo ny tomponandraikitry ny UNFPA hantanteraka ny asa, araka ny voalaza.
Anisan’ny asa nisongadina vita ny fametrahana ivontoerana manokana misahana ny ady amin’ny herisetra eny Mahamasina, niaraka tamin’ ny fikambanana Fitia. Sady manao tantsoroka amin’ny lafiny maro (torohevitra momba ny lalàna, fanohanana ara-tsaina…) no manome fiofanana arakasa ho an’ireo vehivavy niharan’ny herisetra, ahafahany mivelona. Iarahana amin’ny sampandraharaha ny fampihodinana ny ivontoerana eny Mahamasina : Brigade féminine de proximité (BFP), zandarmaria, minisiteran’ny Fitsarana. Efa lany sy mihatra rahateo ny lalàna mifehy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy mirakitra ny karazana herisetra sy ny sazy famaizana momba izany.
Vonjy