Fikorontanan-tsaina : mahafehy ny fandraisana an-tanana eny ifotony ny CSB

Araka ny tatitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny taona 2019, nahatratra 1 miliara ny olona tratran’ny fikorontan-tsaina ary ny 14% amin’ireo adolantsento avokoa. Antony mitarika amin’ny fahafatesana iray amin’ny tranga 100 maneran-tany ny famonoan-tena izay miseho mialoha ny faha -50 taonan’ilay olona.

Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fikorontanana ara-tsaina miteraka voka-dratsy betsaka ho an’ilay olona tratrany sy ny fianakaviany ary ny asa fivelomany rehefa tsy voaray an-tanana. « Ny fahasalaman’ny saina dia fahaizana mandrindra ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainana ary tena miankina amin’ny tsirairay », hoy ny psychiatre, manam-pahazaina momba ny fahasalaman’ny saina, ny profesora Raharivelo Andeline, omaly, teny Ambohidahy. Misy vanim-potoana tena isehoany, toy ny fiovan’ny toetry ny andro (vanim-potoana mafana hivadika ho ririnina mangatsiaka) izay misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny sain’ny daholobe. Amin’izao fotoana izao, eto amintsika, mihamaro ny olona manatona mpitsabo manokana ny fahasalaman’ny saina fa tsy mbola misy antontanisa azo antoka ni­voaka. Taorian’ny fisehoan’ny valanaretina Coronavirus izay nite­raka tebiteby sy ahiahy teo amin’ny rehetra maneran-tany vao nomena lanja ny fahasalaman’ny saina sy ireo mpitsabo misehatra amin’ izany, araka ny fanazavany ihany.
Nahazo fiofanana ny mpanentana

Zava-dehibe ny fisorohana ny fahatongavana amin’ny fi-korontan-tsaina. Ilaina ny fandraisana an-tanana manomboka eny ifotony amin’ny fametrahana toerana fihai­noana sy fanomezana torohevitra ho an’ny olona manana olana. Efa nofanina amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny saina ny mpi­tsabo eny amin’ny CSB ary manana ny fanafody raha ilaina. 180 ireo mpiasan’ny fahasalamana efa vita fiofanana hatramin’izao momba ny fahasalaman’ny saina sy ny androbe amin’ny distrika 20. Nahazo fiofanana koa ny mpanentana ara-pahasalamana (AC) 302 hahay hitsirika ny fikoronta­nana ara-tsaina eny anivon’ny fiarahamonina, hoy ny lehi­ben’ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Randriantsara Hanitra.

Vonjy

Partager sur: