FILOHAN’ny Mpihiragasy: Ranaivonantenaina Tojo

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, ny fifidianana ny filohan’ny federasion’ny Mpihi­ra­gasy eto Madagasikara. Miisa 5 ireo nofidina: Ranai­vonantenaina Tojo ­(Am­ba­tonapoaka), Ratovoelison Jean Baptiste (Arivonimamo), Rabemanantsoa Valomanana (Fenoarivo), Florent Ran­driamarolafy (Manalalondo) ary Ramanankarivo Jean José (Sahondrafinina zanany). 109 ny mpifidy voasoratra anarana ka ny 107 tamin’ireo no tonga nandatsa-bato. Lany tamin’ny isam-bato 47 tamin’ny 107, nanome ny isan-jato 43,92% Ranaivonantenaina Fanome­zantsia Tojonirina Mamy Etienne.
Izy indray izany no filohan’ny federasion’ny Mpihira­gasy eto Madagasikara mandritra ny dimy taona. Araka izany, Ranaivonantenaina Tojo no filoha. Ramana­­n­karivo Jean José, avy amin’ny tarika Sahondrafinina zanany kosa no filoha lefitra, izay nahazo vato 38, manome ny salanisa 35%. Noho izany, izy mirahalahy ireto no mandrafitra ny birao maharitry ny hiragasy manerana an’i Mada­gasikara, hatramin’ny taona 2029.

Zo ny Aina

Partager sur: