Herisetra amin’ny vehivavy: Ampirisihina hitoroka ny vavolombelona

Entanina ireo olona mahita trangana herisetra mianjady amin’ny vehivavy eny anivon’ny fiarahamonina mba ho sahy hitoroka eny amin’ny tomponandraikitra ahafahana mandray ny fepetra. Nisongadina izany nandritra ny fanazavana nentin’ ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Razananaivo Rindra, omaly, tetsy Ankorondrano.
Voafaritry ny lalàna ny fitazomana ny tsiambaratelon’ny olona manao fitorohana ka tsy tokony hisalasala hanatante­raka izany. Eny amin’ny tomponandraikitra akaiky indrindra no manao izany fampahafantarana izany (hopitaly, fokotany, polisy…). Tsy voatery ho fitoriana fa na fampahafantarana ihany aza.
Efa nohamoraina ny fanaovana fitorohana, miafina ny endrika ary ovaina ny feo mandritra ny fanatanterahana izany eny amin’ny polisy. Afaka atao an-tsoratra, sms na am-bava ny fitorohana, afaka tsy mitonona anarana. Azo atao indrindra koa ny manaraka ny fitorohana natao hahafantarana ny fivoarany. Ny olona rehetra no afaka manao ny fitorohana na an­kizy aza.

Tatiana A

Partager sur: