Hisantarana ny fandaharam-potoanan’ny « Hiragasy goavambe » 2024. Ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Hifanandrina ny tarika mpihiragasy Ratelson avy any Andohavary sy Rapaulson avy any Mandiavato. « Vakisehatra 2024 », anisan’ ny andrasan’ny olona maro, satria, tarika roa samy manana traikefa matanjaka eo amin’ny tontolon’ny hiragasy izy ireo.
Na ny tarika Ratelson avy any Andohavary, na ny tarika Rapaulson avy any Mandiavato, samy hiaro ny laza efa ananany avy. Noho izany, tsy hifampitsitsy ny roa tonta. Ity adin-kiragasy ifanandrinan-dry zareo ity rahateo no hanokatra ny fandaharam-potoanan’ny « Hiragasy goavambe », hoavy manaraka.
Tarika Ratelson, havanana amin’ny fiventesana no ho ny fananana ilay feo manga fampiasa eo afovoan’ny hiragasy. Maro ny mianatra azy iny fa tsy mbola misy mahatafavoaka tahaka ny an’ity tarika ity, raha ny filazan’ny mpitia hiragasy. Malaza amin’ny renihira koa izy. Tsy latsa-danja amin’io fa afaka mifanandrina aminy tsara ny fananan’ny tarika Rapaulson ilay figadona tsy manam-paharoa.
HaRy Razafindrakoto