INDRAY MIJERY

Tontosa ny atrikasa mahakasika ny tari-dalana momba ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha. Natao izany ho fanampiana ireo mpianatra tsy mbola mahalala ny lalam-piofanana tokony haleha aorian’ny bakalorea na eo am-pitadiavana tanjona amin’ny fiai­nana ary ho an’ireo nahavita fianarana.

Nisitraka fanentanana fiainana ara-panana­hana, omaly, ny mpianatra eny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona. Manodidina ny 2 889 ireo nanatrika ary mbola ny CIDST sy ny mpiasan’ny faha­sala­mana hatrany no nikarakara ny fanentanana. Tanjona ny hitsinjovana ny hoavin’izy ireo ka hampi­hena ny fialana an-daharana sy ny vohoka tsy nirina.

Nampiofana ireo mpitambola sy ny tanora avy eny anivon’ny fokontany ny avy ao amin’ny “Association Namana” sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanora 68 ireo nisitraka izany. Tanjona ny hisian’ny mangarahara tanteraka. Heverina ny hisian’ny tatitra ara-dalàna miainga avy any amin’ny fokontany mankany amin’ny Kaominina.

Herisetra ao an-tokantrano eo amin’ny mpi­vady ny 70% ny trangana herisetra mpiseho eto Mada­gasikara. Matetika, manatsoaka ny fitoriana ny vehivavy iharan’ny herisetra rehefa tratran’ny fandrahonana, henatra na fandemen-tsaina isan-karazany. Ny iharan’ ny herisetra anefa no tompon’ny teny farany ka rava avy hatrany ny fitoriana rehefa misintona izany izy.

Partager sur: