Kitra Fimmar: hifampitana ireo fokontany 16

Hifarana anio, etsy amin’ny kianja Academica Andohata­penaka, ny fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona enina. Mikarakara izany ny Fikambanana mpiara-mitolona miaraka amin’i Andry Rajoelina (Fimmar), etsy amin’ny boriborintany I, tarihin’i Toussaint na Bolô. Mandray anjara amin’izao lalao izao ireo fokontany miisa 16 amin’ireo 44. “Tanjona ny fitai­zana ny tanora ho any anatin’ny fanatanjahantena, mba ho tomady sy afa-mamokatra ary hibanjina ny hoaviny”, hoy ny mpitarika. Anisan’ny fanampiana ny fanjakana sy ho fiaraha-mientana amin’ireo vina tanterahina, indrindra eo amin’ny maha olona izao hetsika izao, araka ny nambarany. “Izay be no basy ary ny mitambatra vato”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra mba hifanome tanana amin’ny fanjakana amin’ireo andraikitra tanterahina ho an’ny firenena. Efa anjara biriky entin’ny Fimmar ho fanampiana ny mpiara-belona sy ny tanora ialana amin’ny fidonana-poana sy ny ady amin’ny fandraisana
zava-mahadomelina ity fifaninanana ity, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: