Notanterahina, ny alarobia lasa teo, tany amin’ ny faritr’Alaotra Mangoro, Ihorombe, Sofia, ny fidinana ifotony ataon’ireo komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa natao hifampiresahana sy hitondrana hevitra manoloana ny olana misy eny anivon’ireo ligy sy seksiona no anton’ ity fitsidihana ity.
Tsy raikitra ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana 2023-2024 ho an’ny taranja badminton, araka ny vaovao voaray teny anivon’ny federasiona
malagasin’ny badminton, omaly. Tsiahivina fa tokony ho hatao amin’ity faran’ny volana febroary ity izany fifanintsanana izany.
Hotontosaina, ny 28-31 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra “Ping- Pong”, sokajy lahy sy vavy. Tsara marihina fa hotontosaina ny volana mey ho avy izao, eto an-drenivohitra ny fifaninanan’ny ligin’Analamanga, ho an’ny lalao iraisana.
Norombahin’i Espagne ny amboaran’ny fifaninanana eoropeanina “Ligue des Nations” sokajy vehivavy, ny alarobia lasa teo, tany Seville Espagne. Lavon’ izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, teo amin’ny lalao famaranana, ny les Bleus France. Araka izany, ity no amboara faharoan’i Espagne taorian’ny nahazoan’izy ireo ny “Mondial 2023”.