Startimes TV : fandaharana telo vaovao ho an’ny mpijery

Manome tolotra vaovao ho an’ny mpijery ny mpamokatra fandaharana televiziona niomerika, Startimes. Araka ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitry ny fifandraisana ao amin’ity orinasa ity, misy ny fandaharana vaovao afaka arahina ao amin’ny DTT sy ny DTH ny televiziona BFM TV, ST Movies amin’ny teny anglisy ary ny ST Toons amin’ny teny anglisy sy frantsay. Ho hita ao anatin’ny fandaharana fa­natanjahantena «Koz’Kitra » ao amin’ny Gasystar, ahitana ny talentan’ny mpahay baolina kitra eto an-toerana sy avy any ivelany. Eo koa ny lalao fifaninanana “Liga”, ny “Bun­desliga”, ny “Saudi League”, sns. Hita ao amin’ny “Pure Play football” (OPL teo aloha) ny fifaninana baolina kitra eto an-toerana, iarahana amin’ny CFEM. Ahitana lalao roa hatramin’ny efatra isan-kerinandro halefa ao amin’ny Gasystar.
Misy koa ny ho an’ireo mpankafy sarimihetsika mitohy (série), toy ny fiverenan’ny horonantsary filipiana, adika amin’ny teny malagasy « Brothers Saison 4 », hita ao amin’ny Gasystar. Misy sarimihetsika misy dikateny malagasy koa ao amin’ny televiziona UPTV, hita ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka amin’ny enina ora hariva. Izany hoe, sarimihetsika mitohy telo vaovao, misy dikateny malagasy no hitan’ny mpijery amin’ny Startimes.

Njaka A.

Partager sur: