Manodidina 28 -30 % ireo trano miorina eto Antananarivo no manana toeram-pivoahana na lavapiringa ara-dalàna sy manaraka ny fenitra tokony ho izy, raha ny tatitra voaray eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Olana mahatonga izany ny tsy fanokanan’ny olona tetibola hanorenana lavapiringa eny anivon’ny tokantrano.
Mampiasa lavapiringa ho an’ny daholobe na mampiasa tatatra ny tokantrano tsy manana lavapiringa. Ilaina ny fananana ity farany ho an’ny tokantrano tsirairay avy. Telo metatra miala amin’ny trano ny toerana azo hanorenana izany, araka ny voarakitra ao anatin’ny andinin-dalàna manomboka eo amin’ny faha-8, 9 hatramin’ny 12 mahakasika ny fehezam-pitsipika monisipaly mifehy ny fikoloam-pahasalamana. Misy ny olona mpidina ifotony manara-maso. Miainga avy amin’ ny fitarainana avy amin’ny mpiray monina na avy amin’ny sefo fokontany, na ihany koa avy amin’ny RF2 eny an-toerana ny fanaraha-maso sy ny fandraisan’andraikitry ny tomponandraikitra. Misy ny fampitandremana indroa ho an’ny olona tratra manary maloto eny an-dalana sy eny amin’ny tatatra. Manatsahatra avy hatrany ny fanariana ny maloto eny amin’ny faritra na lalana. Misy avy hatrany ny fepetra amin’ny tsy maintsy hanamboarana fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny zava-misy sy mitranga eny ifotony. Misy ny fanaraha-maso izany afaka iray volana. Misy avy hatrany ny sazy aorian’ny tsy fanarahana ny lamina apetraka aorian’ izay. 50 000 Ar ny sazy. “Sady mandoa vola no manamboatra ny fotodrafitrasa ilay olona mandritra izany”, hoy ny Dr Domoinamalala Marie Lucienne, Diréctrice de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène eo anivon’ny kaominina Antananarivo. Nilaza izy fa miakatra hatramin’ny 300 000 Ar ny sokajin-tsazy. Alefa miakatra eny anivon’ny fitsarana kosa ny raharaha raha toa ka tsy mbola misy fiovana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mitarika amin’ny tsy fahafahana monina ao amin’ny trano mihitsy ny tsy fanananana lavapiringa, araka io fehezan-dalàna io ihany. Noho ny fampiharana ny SMA eto amin’ny faritra Antananarivo Renivohitra manokana. Mahatratra 230 ireo lavapiringa niorina teo anivon’ny tokantrano, nanomboka ny taona 2023. Antony mahatonga izany ny fahatahorana ny iharan’ny sazy.
Afaka mitoroka ny olona raha mahita tsy fanarahana lamina
Azon’ny olona atao tsara ny mitoroka raha mahita ny tranga tsy fanarahana ny lamina eny anivon’ny fokontany. Indrindra mikasika ny fanariana maloto eny amin’ny tatatra sy ny lalam-bahoaka. Mahatratra 15 isan-kerinandro ny fitarainana voaray eny anivon’ ny DEAH mahakasika ny fanariana maloto eny an-dalana sy eny amin’ny tatatra eto anivon’ny tanàn’Antananarivo.
Misy karazany roa ny lavapiringa: “nohatsaraina” sy ny “tsy nohatsaraina.” Ny lavapiringa manasaraka tanteraka ny diky tsy ho voakasiky ny olona ny atao hoe lavapiringa nohatsaraina. Mifanohitra na tsy manao izany kosa ny tsy manara-penitra. Sady azo ampiasaina hamaritana ny any amin’ny toeram-piasana io na ny any an-trano satria miankina amin’ny fitantanana ny diky. Ariana eny an-toerana na entina ary ahodina amin’ny toerana lavitra miala eo ny diky ho an’ny fototrafidrasa tsara tantana. Mety mila toeram-pivoahana azo afindrafindra ny mpiasa ho an’ny toeram-piasana sasany toy ny any amin’ny sehatry ny fambolena satria mifindrafindra tanimboly hatrany. Ny fomba hitantanan’izy ireo ny diky no hamaritra raha nohatsaraina na tsy nohatsaraina izany.
Miteraka aretina ny fiparitahan’ny loto
Mitarika fahafatesana maro, indrindra ho an’ny ankizy ny aretina azo avy amin’ny fiparitahana maloto ankalamanjana. Mahatratra 1,6 tapitrisa izany maneran-tany, raha ny antontanisa navoakan’ny Organisation mondiale de la santé (OMS), tamin’ny 2017. Olona 892 tapitrisa (olona 1 amin’ny 7) ireo mangery ankalamanjana maneran-tany. Tafiditra amin’ izany ireo mangery eny an-tatatra, any anaty lobolobo ary eny amoron-drano. Monina any ambanivohitra avokoa ny ankamaroany.
Zava-dehibe ho an’ny olombelona rehetra ny fananana toeram-pivoahana. Nampidirina ho anisan’ireo zo fototra manerana izao tontolo izao izany. Maro ireo olona tsy manana lavapiringa ka mangery sy manary maloto ankalamanjana. Misy mikraoba maro vokatr’izany ka mahatonga aretina ho an’ny olombelona. Anisan’izany, ny aretim-pivalanana, choléra, lefakozatra, hepatite amin’ny endriny maro, tefoidra…, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Mifindra amin’ny alalan’ny rano ny mikraoba ka mety hahavoa ny hafa. Amin’ny alalan’ ny tanana ihany koa rehefa avy mangery sy nanolo lamban-
jaza ka tsy voasasa amin’ny rano sy savony. Mitondra ny mikraoba ihany koa ny lalitra. Izay mety hankarary ny olona nisotro ilay rano na nihinana ilay sakafo nipetrahany.
Nanatontosa : Mino