Manana ny avara-pianarana ny Malagasy. Tsy vitsy ihany koa ireo raiamandreny zokim-pahendrena… Nikaroka, nandalina, manana traikefa, mahafantatra ny mahasoa sy ny manimba. Hatramin’izao, tsy tazana loatra ny vokatra tsara azo avy amin’ireo rehetra ireo. Inona ny zava-misy marina ?
Tao anatin’ny taona maro, potika ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Samy mandroritra any amin’izay tiany. Tsy ratsy akory ny maneho hevitra sy ny manao zavatra fa tsara kokoa ny vokatra mety ho azo raha ialohavana fifampidinihina, fanakalozan-kevitra, sns, amin’ireo avara-pianarana, raiamandreny, vatonamelankafatra… Tsy fomban’ny Malagasy ny mandidy dia homana. Raha mbola misy ny azo ifanakalozan-kevitra, aleo mifampihaino. Iray dinidinika sy iray donakafo!
Anisan’ny antony mampihisatra ny fivelaran’ny kolontsaina sy ny soatoavina ary ny fiarahamonina malagasy io tsy fahampian’ny fifampidinihana io. Ny ray aman-dreny (sy ny raiamandreny), moana manoloana ny zava-tsy mety ataon’ny zanany. Tsy fomba malagasy, ohatra, ny mamingavinga zoky raiamandreny. Kanefa, rehefa entanin-javatra (vola, diplaoma, fahefana, hery isan-karazany…) ny zaza vao iray ranonorana, ankehitriny, sahy manangambovona manoloana ireo nahitany masoandro.
Sahirana, hono !
Manahirana, hono, ny miteny ny zaza sy ny tanora ankehitriny! Efa manana ny lohany, hono, ny ankizy ankehitriny!… Dia natao hiteraka azy ireny fotsiny izany ny ray aman-dreny fa tsy hanabe sy hitaiza? Tsy nozarina hifampidinika intsony ny taranaka malagasy, satria, sahirana hono! Tsy manam-potoana, hono! Vizana avy niasa hono! Maika hatory hono! Maika hijery televiziona hono! Sns ! Saika tratran’ny tranga tahaka io ny ankamaroan’ny tokantrano eto Madagasikara indrindra fa ny eny an-drenivohitra. Tsy mitovy tokoa ny zotram-piainana tamin’ny taona 1950 sy ny amin’izao. Kanefa, tsy tokony hanimbana na hanovana ny fomba amam-panao sy ny soatoavina malagasy izany. Mila hain’ny Malagasy ny mampifandrindra ny zava-misy ao anatina vanim-potoana sy ny maha Malagasy (soatoavina, kolontsaina…).
… Ny tsy nanarian’ny Sinoa ny momba azy. Ny fahaizany mampifandray izany amin’ny zava-misy ao aminy sy maneran-tany, no anisany mampatanjaka an-dry zareo. Ny tsiambaratelony? Fanomezana lanja ny fiaraha-midinika any anivon’ny tokantrano!
HaRy Razafindrakoto