Maro ny fanendrena tao anatin’ny filankevitry ny minisitra nivoaka afakomaly. Saika ireo olona any aminy no nahazo vahana. Raha ny tsikaritra dia ny minisitera manana antoko ivelan’ny volomboasary no mihazakazaka mametraka ny olony. Tsy mihambahamba ny antoko Freedom, ohatra, nametraka ny tale isam-paritra amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Marina ny azy! Hanomana fifidianana, mila mahazo depiote maro.
Iaraha-mahalala rahateo fa mihitsoka hatreto ny fanendrena ny olona miainga avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika mivantana. Omaly vao nifarana ny fandraisana ny antontan-taratasin’izay hisafidianana ho sekreteram-panjakana. Taiza tamin’ny fitondrana nifanesy teto Madagasikara no nisy fitarazohana fizarana toerana sy “mofomamy” tahaka izao? Voalaza fa lamina amin’ny maha rafitra vaovao no mahatonga izany. Tsiliantsofina anefa no nandrenesana fa tsy manana olona ny antokon’ny fitondrana.
Vokany, mbola mampisalasala ny hametraka olona ivelan’ny mpiara-mitolona. Ireto farany izay sanatrian’ny vava “be tsy andraofana”, mafanafo fa tsy mahafehy ny lafiny teknika. Anisan’ny fepetra takin’ny filohan’ny Repoblika anefa ny mpiara-miasa mahafehy ny sehatra hametrahana azy. Olona mitovy tadin-dokanga aminy mba hampirindra ny firosoan’ny lamasinina “tsy haingam-pandeha” hatramin’izao.
Politika no lalaovina eto amin’ny tanàna. Tsy mahagaga ny sivana miainga amin’ny finamanana baikoin’ny tombontsoa iraisan’olom-bitsy. Mihodinkodina tsy miroso tsy mihemotra ilay fizotry ny raharaham-pirenena anatiny. Soa fa efa mahazo ny fankasitrahana iraisam-pirenena aloha ny filoham-pirenena am-perinasa. Teboka miabo ho azy sy ny fitondrana izany.
Raha fehezina, tsy hita be ihany ilay izy. Betsaka ny olona vonona saingy manao fiaron’amboalahy antitra ilay fitondrana amin’ny fizarana fahefana.
r.r