Naiditra am-ponja vonjimaika ny olona sivy, voarohirohy tamin’ny halatra vy amin’ny tetezana any Fisoronana Faratsiho. Miisa 15 izy ireo ka nahazo fahafahana vonjimaika ny telo. Mitohy, omaly, ny fanadihadiana lalina ireo voampanga, ataon’ny polisim-pirenena sy ny sampan’ny Asa vaventy Faratsiho. Mampigadra 5-10 taona ny halatra toy izao.
Natao, omaly, ny famindram-pitantanana, eo amin’ny talen’ny Fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, Botomanaovatsara Fils, sy ny nodimbiasany, Razafindrianarivo Henri Jacob. Nanome toky ity tale vaovao ity fa hanohy ireo asa efa natomboka hatramin’izay.
Miomana amin’ny fanomanana taom-piadiana amin’ny valala 2024 ny fanjakana. Nivory teny Anosy ireo mpiara-miasa, ny solontena maharitry ny FAO eto amintsika ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Mahatratra 19 800ha ny velaran-tany voatondraka fanafody tamin’ny taon-dasa tamin’ny alalan’ny fiaramanidina raha 12 443ha no vita tamin’ny alalan’ny fiara.
Tombanana ho 14 300 mahery ireo mpiompy trondro eto Madagasikara raha toa ka 2 300 izany ny taona 2021. Mbola malalaka ny tsena satria mahatratra hatrany amin’ny 307 000 t isan-taona ny filana raha manodidina ny 140 000 t eo ny vokatra misy. Amin’ izao, manodidina ny 40 tapitrisa ny zana-trondro misy raha mahatratra 600 tapitrisa ny filana.