Volley-ball-CCZone 7: hifandona ny Cosfa sy ny GNVB anio

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball (CCZone 7).

Samy Malagasy no hifanandrina amin’ny lalao manasa-dalana faharoa, anio, etsy Mahamasina. Niaraka tafakatra mantsy ny Cosfa sy ny GNVB, sokajy lehilahy, ka izy ireo no hiady ny tapakila ho amin’ny famaranana amin’ity “CCZone 7” an­diany faha-28 ity, anio amin’ ny 6 ora hariva. Azo antoka, araka izany, fa hisy Malagasy hanao famaranana, eo amin’ ny sokajy lehilahy. Lalao ma­nasa-dalana voalohany kosa, eo amin’ny sokajy lehilahy, ny fifanandrinana eo amin’ny Tempo Gecko Volley Ball Spor­tif avy ao La Réunion sy ny Saint Denis Olympique Volley Ball avy ao La Réunion ihany koa. Izany hoe, adin’ny gasy sy ny renioney ny famaranana, ho an’ny sokajy lehi­lahy. Tsia­hivina, taorian’ny nahazoan’ny GNVB lehilahy, ny tapakilan’ny manasa-dalana, nahazo izany koa, omaly, ny ekipan’ny Cosfa rehefa nivoaka sempotra ta­min’ny “tie break”, 3 no ho 2 nanoloana ny Rodrigues Olym­pique Mon­tagne Goyave avy ao Maorisy. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, ny ekipan’ny Anse Royales avy ao Sey­chelles no hifan­dona amin’ny ekipan’ny Zan­darimariam-pirenena, anio, amin’ny 4 ora hariva, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina. Anisan’ny ekipa goavana ity mpifanandrina amin’ny ekipa malagasy ity saingy efa nanomana paikady hanohe­rana azy ireo ny mpanazatran’ny GNVB, ka manan­tena ny hahazo ny tapakila ho amin’ny famaranana. Ana­tin’ny tanjaka tanteraka ihany koa ny mpilalao rehetra, raha ny fanaza­vana hatrany. Etsy ankilany, adin’ny samy renioney, toy ny an’ny sokajy lehi­lahy ihany koa no hitranga eo amin’ny manasa-dalana voalohany, sokajy vehivavy. Ny Tempo Gecko Volley Ball Spor­tif avy ao La Réunion sy ny Saint Denis Olympique Volley Ball mantsy no hifanandrina anio, amin’ny 12 ora atoandro, Etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Mi.Raz

Partager sur: