YLTP – KANDIDA : tsy tokony hisy omena vahana

Nanao fanambarana momba ny zotram-pifidianana ny mpikambana eo amin’ny Youth Leadership Training Program (YLTP), niofana momba ny haitarika hiatrehana ny fifidianana, omaly, teny Antaninarenina. Tanjona ny hanentanana ny rehetra, indrindra ny tomponandraikitra, ny amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara.
Ny famoahana haingana ny fitsipi-dalaon’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny Tanàna ary mpanolotsaina no nangatahin’ny mpikambana eo anivon’ny YLTP hiatrika fifidianana. Anisan’izany ny tsy tokony hisian’ny kandidà manana tombony sy omena vahana manokana. Nametrahan’izy ireo fanontaniana ihany koa ny mahakasika ny toerana isaky ny distrika, aorian’ny fanisana ny isan’ny mpifidy, ny anto-bola araka ny sokajin’ny kaominina.
Niantso ny mpikambana YLTP eny anivon’ny governemanta sy ny rantsa-mangaika mikarakara fifidianana ihany koa ireto mpirotsaka hofidina ireto mba hampanjaka ny mangarahara sy ny rariny.

Lin

Partager sur: