“Mino aho fa ny Firaisankina no hahazo ny maro anisa”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface, amin’ny fiatrehana fifidianana solombavambahoaka ho avy izao. Misy ny filoha teo aloha, ohatra, ny Firaisankina, Ravalomanana sy Rajaonarimampianina. Eo koa ny parlemantera teo aloha. Raha ny faritra avaratra, ohatra, voafehin’ny filoha Rajaonarimampianina, ny antoko Tsara tahafina any amin’ny faritra atsimo atsinanana izay faran’ny be mpifidy… Any faritra Boeny, tsy misy mpikamban’ny governemanta. Toy izany koa i Toamasina. Ny dikan’izay: sarotsarotra ny hahazoan’ny IRD sy ny Mapar ary TGV maro anisa amin’ny fifidianana amin’izany.
Raha jerena ny vovonana Firaisankina andaniny ary ankilany ny IRD sy ny Mapar ary ny TGV, tsy mahaleo ny Firaisankina ry zareo raha fifidianana manakaiky vahoaka no atao. Sarotra ho an-dry zareo eo amin’ny fitondrana amin’izao toe-draharaham-pirenena izao ny hahazoana ny maro anisa, araka ny fijeriny. “Raha miala ny tsy miankina miditra ao anatiny ao, vonona izahay hiara-miasa amin-dry zareo”, hoy izy. Tsy maintsy misy ny fifanarahana ny amin’izay vao afa-miaraka. Na izany aza, eo ny fitiavan-tanindrazana fa mitovy ny tanjona amin’izao: ahoana ny hifehezana an’i Madagasikara mba hipetraka amin’ny fanjakana tan-dalàna?
R. Nd.