Analakely: mpivarotra mercure hosoka voasambotra

Mpisandoka nivarotra mercure sandoka tra-tehaky ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny CSP1 tetsy Analakely, ny 28 febroary teo. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy ny ramatoa iray fa lasibatry ny fisolokiana. Naka vola mitentina 27 500 000 fmg tany amin’io renim-pianakaviana io ilay mpisoloky nanomboka tamin’ny taona 2022. Narira­riran’ ilay lehilahy hatrany anefa ilay lasibatra. Nitondra voatavo tao amin’io ramatoa io ilay mpisoloky ny 28 febroary teo. No­re­seny lahatra indray ilay ramatoa fa anatin’io entana nentiny io ny mercure. Nosavain’ilay vehivavy, harona plastika feno fotaka sy tavoahangy kely nisy rano no tao anatin’ilay voatavo. Nosamborina ilay lehilahy ary naiditra eny Antanimora.

Tsiferana R.

Partager sur: