Androbe: Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly

13 amin’izao fotoana izao ny neurologue spécialiste mi­asa manerana ny Nosy. Ny mpitsabo ny aretina ankapobeny koa dia nahazo fiofanana momba ny « neurologie » nandritra ny fianarany ho mpitsabo ary afaka mandray an-tanana ny olona tratran’ny androbe, hoy ny neu­rologue interniste ao amin’ny service neurologie-HJRB, Razafimahefa Julien. Mane­ran-tany, 50 tapitrisa ny ma­rarin’ny andro­be ary 2 tapitrisa ma­hery ny tranga vaovao isan-taona. Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly ny androbe aorian’ny fahatapahan’ny lalandra ao amin’ny atidoha. Aretin’ny atidoha miseho amin’ny fiverimberenan’ny fanintona ny androbe. Misy herinaratra (courant éléctrique) mi­ko­ron­tana ao anatin’ny atidoha mi­tarika ny fanintona hita ety ivelany. Misy antony mampikorontana ilay herinaratra. Ny fahasimban’ny atidoha vo­katry ny dona mafy mihatra ami­ny, avy amin’ny tsimokaretina ao anaty atidoha… Antony hafa, tsy misy fahasimbana ny atidoha fa tarazo nolovaina ta­min’ny ray aman-dreny ny aretina androbe.
Mizara roa mazava ny fi­tsaboana ny androbe. Ny fitsaboana ny fanintona tsy hiverimberina sy ny fitsaboana ny anton’ilay androbe raha fantatra. Tokony hatao avokoa ireo fitsaboana roa ireo. Ho an’ny fitsaboana voalohany, ilaina ny fihinanana fanafody isan’andro mandritra ny taona maro handaminana sy hamerenana amin’ny laoniny ny herinaratra mikorontana ao anaty atidoha. Momba ny fitsaboana ny anton’ ny androbe kosa, miankina amin’ny fitiliana ny atidoha izay.

Nanatontosa : Vonjy

Partager sur: