Notanterahina ny 1 marsa 2024, ny fambolen-kazo nataon’ ny Antenimierampirenena. Teny amin’ny kaominina Ampaneva, distrikan’i Manjakandriana no nosafidiana hanaovana izany tamin’ity taona ity. Zana-kazo 4000 no natsatoka nandritra izany izay nahitana frêne, eucalyptus robusta, filao, voandelaka ary eucalyptus citriodoa ary bambou. Ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine no nitarika ny foto
ana. « Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena amin’ny fanamaitsoana an’i Madagasikara izao fambolen-kazo ataon’ny Antenimierampirenena izao », hoy Rtoa Razanamahasoa Christine nandritra ny lahateniny tamin’ny fanokafana ny fambolen-kazo.
Tonga nanatanteraka ny adidiny amin’ny tanindrazana ny mpiasan’ny Antenimierampirenena notarihin’ny Sekretera Jeneraly notronin’ireo tomponandraikitra isan-tokony ao amin’
ity andrimpanjakana ity. Nisaotra sy nankasitraka izao hetsika nataon’ny Antenimierampirenena izao ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ampaneva nosoloin’ny sefo fokontany nanaovana ny fambolen-kazo.
Andry Fenomanana