Efa nahazo vola 20 tapitrisa Ar : saron’ny polisy i Mohamed sy i Patrick mpisoloky gagilahy

Mirongatra izaitsizy ny fisolokiana avolenta ao Toa­ma­sina amin’izao fotoana izao. Nanome baiko hentitra ny talem-paritry ny filaminana anatiny ao Toamasina, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, amin’ny hanenjehana ireo jiolahy tompon’antoka amin’izany. Nahitam-bokany izany, araka ny tatitra nampitain’ny kaomisera Ratsimba­zafy Tolojanahary Jean Philip­pe, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niainga avy amin’ny fitarainan’ireo olona niharan’ ny fisolokiana no nahafahan’ ny polisy nametraka ny vela-pandrika rehetra. Jiolahy roa indray voasambotra taorian’ny paikady napetraky ny polisy. Fisolokiana olona amina resaka fivarotana vovoka volamena sy volafotsy no fomba fi­adin’ireto jiolahy tratran’ny polisy ireto. Ataon’izy ireo anaty boaty mihidy ny vovoka varahina sy vovoby ka rebireben’izy ireo ilay olona solokiany fa tsy azo sokafana mihitsy fa manjary tsofon’ny rivotra. Mody mampiseho vovo-bolamena hafa ry zalahy hisintonana ny olona hosolokiana. Olona iray nahazoan’izy ireo vola 6 tapitrisa Ar raha 20 tapitrisa Ar kosa tamin’ilay olona iray hafa. Efa nametraka fiaraha-miasa tamin’ny polisy rahateo ity olona faharoa ity.
Tsy vitan’izay fa mbola manao asa fisolokiana olona amin’ny alalan’ny finday koa ry zalahy tratra ireto. Manana tambajotra matanjaka mihitsy izy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Mandefa hafatra miafina amin’olona iray ry zalahy ka mody ampiresahany ary miafara amin’ny fahazoana ny laharana miafina amin’ ny finday na kaonty amin’ny banky izany. Lasan’izy ireo ny volabe ka nony efa lasa ny vola vao tonga saina ny tompony, araka ny fanazavan’ny kaomisera Ratsimbazafy Tolojanahary hatrany.

Sajo/J.C

Partager sur: