Notanterahina ny 1 marsa 2024, teny Ihazolava, kaominina Ambohimandroso, ny fambolen-kazo ho an’ny fianakaviamben’ny fadintseranana malagasy. Zana-kazo fihinamboa miisa 2500 no novolen’ireo tomponandraikitra maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ity departemanta ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjon’ny hetsika ny hanajarina ny velaran-tany 110 h, izay an’ny fadintseranana, ho toeram-pambolena sy fiompiana azo tsidihina mba hamatsina ny kitapombola fiahiana ny mpiasan’ny fadintseranana misotro ronono.
Miditra tsikelikely amin’ny tetikasa “Agri-touristique” ho fiahiana ny mpiasa misotro ronono, eo amin’izy ireo. Nanombohana izany ny fambolena hazo maro samihafa amin’izany toerana izany, nanomboka ny taona 2023 ary nitohy tamin’ity taona ity. Ankoatra ny voankazo, hita amin’ity toerana ity ihany koa ny fiompiana. ”Mametraka anay amin’ny toerana sahaza anay sy manokatra ny saina ary mitondra fahalalana vaovao ho anay izao tetikasa izao”, hoy Ranaivoson William, mpiasan’ny fadintseranana misotro ronono, mpisitraka ny tetikasa.
Ireo mpiasa efa misotro ronono ny hampihodina izany toeram-pambolena sy fiompiana azo tsidihina izany. Ankoatra azy ireo, hitondra fampandrosoana sy asa ho an’ny vahoaka eny ifotony ihany koa ny fisian’izany toerana izany.
Lin