FANTINA sy FINTINA

3,92 % ny taham-pitomboan’ny isan’ny mpifidy, rehefa naravona ny lisitry ny mpifidy fanampiny sy izay nesorina, araka ny tatitry ny Ceni notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly. Hatao ny 15 mey kosa ny fandrafetana ny rejisitra amin’ny fifidianana.

Tetikasa telo no niaraha-nanao sonia teo
amin’ny praiminisitra sy ny AFD ary ny Vondrona Eoropeani­na, teny Mahazoarivo, omaly. Anisan’izany ny 49 tapitrisa Ar ho an’ny Padeve ho an’ny any Antsirabe, Fianaran­tsoa, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina.

Namboly zana-kazo miisa 3 000 tany Tsarama­soandro, Manerinerina, distrikan’Ankazobe, ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, omaly. Ahitana karazany toy ny akasia, baobaba, frêne ary filao izany. Nandray anjara koa ireo avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Hifamotoana etsy Bel Air ireo mpikatroka Tim, boriborintany fahefatra, anio. Hifampiarahaba noho ny taona vaovao izy ireo. Handray ny toromarika avy amin’ny mpitarika koa amin’ny hiatrehana ny fifidianana, indrindra ny fiarahana eo amin’ny vovonana Firaisankina.

Partager sur: