Fiforonana andro ratsy: Tombanana hipaka ao Sava rahampitso

Manomboka mitoetra ny « anticyclone » ao atsimon’i Ma­da­gasikara. Hita taratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy ihany koa ny ampahan’ilay Zone de convergence intertropicale (ZCIT). Mifandray amin’izay ZCIT izay dia misy faritra andro ratsy any amin’ny manodidina ny 1 500 km atsina­nan’Antsiranana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly.
Araka ny fironan’ny antontan-kevitra farany voaray androany, tsy dia tomombana loatra ny tontolo ivoarany satria voafetra ny tosiky ny talio. Etsy andaniny, mamafy rivotra maina kokoa ny tsiokan’ny varatraza. Raha ny singa azo avy amin’ny zanabolana omaly maraina, manodidina ny 35 km isan’ora ny rivotra miaraka amin’ity faritra andro ratsy ity.
Raha ny vinavina, hikisaka haingana hiakandrefana ity faritra andro ratsy ity ato anatin’ny andro manaraka ka tombanana hipaka amin’ny faritra Sava rahampitso alina na ny alatsinainy ho avy izao. Mety hahatratra ny tanjaka dépression tropicale ( mitondra rivota 55 km isan’ora) izy, raha ny vinavina omaly.
Tombanana hikorontana, araka izany, ny toetry ny andro an-dranomasina amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana manomboka rahampitso noho ny alondrano izay mialoha azy. Ahina ho betsaka ihany koa ny rotsakorana amin’ireo faritra ireo. Noho izany, misy fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana sy ho an’ny mpanjono an-dranomasina fa tsy mbola misy kosa ny filazana mahakasika ny rivodoza.

Vonjy

Partager sur: