MEH sy Tozi Green : zana-kazo 13 000 nambolena tany Farahantsana

Natao omaly 1 marsa 2024, teny Farahantsana Mahitsy, ny fambolen-kazo niarahan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny orinasa Tozi Green. Miisa 13 000 ny zana-kazo nambolena.

Nitarika ny hetsika ny minisitra MEH, Jean Baptiste Olivier, sy ny filoha tale jeneraly (PDG) ny Tozzi Green, Davide Giachero. Zava-dehibe ho an’ny toby eny Farahantsana tokoa ny fambolen-kazo noho izy mamerina ny tontolo mai­tso, ny rohy voahary eny an-toerana, satria miankina amin’ny fisian’ny zavamaniry ny fiarovana ny loharano tsy ho ritra, ilaina amin’ny famokarana angovo azo havaozina. Miisa 13 000 ny zana-kazo nambolena tamin’ny velaran-tany 1 ha any an-toerana, ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rano iandraiketan’ny orinasa Tozzi Green.
Nohamafisin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, fa manan-danja tokoa ity hetsika ity, sady maneho ny fahavononan’ny minisitera tarihiny sy ireo rantsa-mangaika tsy ankanavaka amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Fa­ne­hoana ny fanoloran-tena iombonana hiarovana ny tontolo iainana ho an’ny taranaka any aoriana rahateo izany. « Ho mariky ny kihon-dalana mankany amin’ny fahavononana hampiroborobo ny angovo azo havaozina ny fambolen-kazo », hoy ihany izy.

Herinaratra avy amin’ny tohodrano
Mamokatra herinaratra 28 MW ny tobim-pamokarana any Farahantsana Mahitsy, tantanin’ny orinasa Tozi Green. Anisan’ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny tohodrano, izay mora kokoa ny masonkarena miohatra amin’ireo toby herinaratra ampandehanina amin’ny gazoala na ny menaka mavesatra (fuel).
Tafiditra ao anatin’ny fa­matsiana herinaratra ma­ma­tsy ny Tambajotra iraisan’ Anta­nanarivo (RIA) ny eny Farahantsana. Mamatsy ny eto Antananarivo sy ny manodidina, toy ny any amin’ny ta­pany andrefana sy atsimon’ Antananarivo. Tsiahivina fa mahatratra 7 800 MW ny otrikarena avy amin’ny loharano azo ahodina ho herinaratra eto Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: