Minisitry ny Raharaham-bahiny: “Tsy tokony hotsabahin’ny vahiny ny raharaham-pirenena”

Nitondra fanazavana momba ny hevitry ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina mahakasika
ny famosirana ny minisitry ny Fitsarana. ”Tsy tokony hotsabahin’ny vahiny ny raharaham-
pirenena”, hoy izy.

“Ny fiantsoana an-dRtoa masoivohon’ ny Vondrona Eoro­pe­naina eto Madagasikara teto amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny androany dia na­hazoana namerina fa firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Ma­dagasikara”. Izay ny fanazavan’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafara­va­vitafika, ny amin’ny nampiantsoany teny Anosy, afakomaly, ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina mi­asa sy monian eto Madagasi­kara, i Isabelle Delattre Burger, izay naneho hevitra ny amin’ny famosirana ho fanasaziana amin’ny raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona. Tsy tokony hisy firenena hafa na mpiara-miombon’antoka ara-teknika na ara-bola maneho ny heviny amin’ny fanehoan-kevitra izay mety ho fitsabahana ny raharaham-pirenena anatiny.
Namerina ny maha zava-dehibe ny fifanajana ao ana­tin’ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina ny fihaonana. Fifanajana ihany koa eo amin’ny fanehoan-kevitra, indrindra ny momba an’ireo fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana. Fantatra ireny fanapahan-kevitra ireny fa aorian’ny fandinihana lalina ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena no andraisana azy. Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina, izay mamatsy vola an’i Madagasikara amin’ny tetikasa fampandrosoana maharitra.

R. Nd.

Partager sur: