Morondava : nohavaozina ny Lycée technique professionnel

Niova endrika tanteraka ny efitrano fampianarana sy fa­namboarana sambo vita amin’ny hazo ao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) Mo­rondava, faritra Menabe, noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fi­kambanana Io Renala. Nareni­na ny trano falafa teo aloha ary lasa trano biriky mitafo fanitso.
Nofaranana tamin’ity herinandro ity ny asa fanarenana ny fotodrafitrasa, tao anatin’ny fankalazana ny andron’ny ivontoeram-panofanana ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. “Mahavelom-panantenana ny fiaraha-mientana amin’ny tanora toy izao sy ny fikambanana miahy ny tanora”, hoy ny minisitra Rakotondrazafy Lala­tiana, tamin’ny kabariny tany an-toerana.
Efa simba avokoa, tsy nisy fikarakarana ary mila fanavaozana sy fanarenana ny ankamaroan’ny fotodrafitrasan’ny sekoly fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Nahitana fahasimbana goavana ity Lycée teknika ao Morondava ity ary nilana fanamboarana. Tao anatin’ny herinandro no nanaovana ny fanarenana sy ny asa fanatsarana rehetra. Nitondra fanavaozana tamin’ny sekoly iray ma­non­tolo ny hetsika «Tagna­maro, andron’ny olom-pirenena» natao tany Moron­dava, tao anatin’ny fankalazana ny andron’ny ivontoeram-panofanana.

Vonjy

Partager sur: