Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izay tena laharana voalohany amin’ny taranja rugby. Hiady izany, amin’ny alalan’ny “super coupe de Madagascar” ny FTM tompondaka sy ny Cosfa tompon’ny amboara. Hangotraka io fihaonana io satria ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Raha teo amin’ny fihaonana farany, nivoaka ho mpandresy ny Cosfa (Bebaoty). Hanalavela, araka izany, ny FTM (Dakar). Samy manana ny fomba filalaony ny andaniny sy ny ankilany. Raha ho an’ny Cosfa, mampiasa ny tanjaka amin’ny alalan’ny “pack d’avant”, tarihin’i Maxime. Mampiasa ny tolotolotra haigam-pandeha kosa ny Manjakaray, hifandrimbonan’i Lahatra sy i Koroka ampian’i Jean Yves. Tsy hifampitsitsy, araka izany, izy ireo, izay samy manana mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar.
Ankoatra izay, hisy fihaonana fihantsiana hifanandrinan’ny TFA Anatihazo sy ny TAM Anosibe. Hifampitana ihany koa ny USA Ankadifotsy sy ny Mang’Arts. Adin’ny samy kartie avokoa ireo lalao ireo. Hanokatra ny fotoana ny lalaon’ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny FTBA.
Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana ny alahady 17 marsa ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2024, ho an’ny baolina lavalava eto Madagasikara.
Tompondaka