Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Amin’izany, efa misy mihetsika ireo kandidà na manolo-tena na te hatolotry ny vondrona na antoko politika misy azy: midina ifotony, manambitamby vahoaka, mamalifaly… Misy mahavatra mandoka tena amin’ny asa vita. Mby amin’ny hoe fomba fiady ihany izany, na misy tsy mendrika aza. Mbola ho azo amin’izay fizarana fanomezana sy fampanantenana an’itsy na iroa ihany ve ny vahoaka? Ny fahasahiranany hararaotina hahazoana ny fony sy ny vatony, ny tsy fahafantarana izao na izatsy no hanambaka azy amin’ny fifidianana…
Mba firy, hono, no manazava ny maha zava-dehibe ny fifidianana depiote, ny adidy aman’andraikiny, ny asany… Ny zava-mivaingana sy hita maso ihany no hahazoana ny fo sy ny vaton’ny mpifidy? Tsy inona fa fividianana safidy ankolaka na mivantana. Ny vahoaka koa no mbola azo amin’izany? Tsy mahalala, tsy mijery lavitra, voafitaka na manaiky tsy fidiny noho ny fahasahiranana… Izay mahazava fa mpanao lalàna, ohatra, ny depiote fa tsy mpanao lalana na tetezana no azo antoka, mandresy lahatra sy manara-maso ny asan’ny governemanta fa tsy hoe mpanatanteraka, mpitondra ny hetahetam-bahoaka amin’itsy sy iroa…
Mila ampahafantarina ny zo aman’adidy koa ny olom-pirenena amin’izany, fa misy ny tamberinan’andraikitra amin’izay misolo vava azy amin’ny fanaovan-dalàna, fitondrana ny hetahetany, fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka… Noho izany, dieny izao: iza no mety hahavita an’izay amin’ireo mitonon-tena na hatolotry ny hafa ho izao na izatsy? Mizara fahalalana, manazava didy aman-dalàna, mampanantena fanaovana na fanitsiana lalàna… Avela ho takon’ny fanomezana tsy mahavita taona ve izany rehetra izany? Ny tena olom-pirenena no tompon-tsafidy… tsy voavidy.
R. Nd.