VAOVAO TAMBATRA

Mihena hatrany amin’ny 40% ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ma­nampy trotraka ny fisian’ny tahiry ambin’ny famokarana noho ny fiakaran’ny tolotra mihoatra ny tinady. Mandray anjara 4-6% ny harinkaren’i Madagasikara ny orinasa Ambatovy.

Mihena 12 000 t ny vokatra lojy fotsy raha toa ka 30 000 t izany teo aloha. Mikaro-bahaolana manoloana ny zava-misy ireo mpiantsehatra samihafa. Fantatra fa anisan’ny mampitotongana ny vokatra ny fahanteran’ny masomboly sy ny tahan’akora simika ambony. Miezaka mamokatra masomboly voafantina ny FOFIFA sy ny tetikasa « PROSOL ».

Haparitaka ny karazana hazandrano tilapia, any Antsahabingo, Mahajanga I. Anisan’izany ny fa­hafahana miompy ny karazana tilapia madinika na ma­rakely (paratilapia), ny vangoloaka (heterotis) ary ny tilapia mena. Hojerena koa ny hampiroroboroboana ny karazany hafa toy ny dingadingana.

Azo atao ny mandoa ny hetra tambatra (impôt synthetique) amin’ny alalan’ny finday. Amin’ny 31 marsa ho avy izao ny fe-potoana farany azo andoavana azy io any amin’ny foiben-ketra, manerana ny faritra. Izany hoe, azo aloa mivantana any amin’ny foiben-ketra, na koa aloa ampitain-davitra amin’ny alalan’ny e-hetraphone.

Partager sur: