Volley-CCZone 7 : hanao famaranana ny GNVB lahy sy vavy

Fahombiazana tanteraka no azon’ny ekipan’ny GNVB, omaly, nandritra ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball. Samy hiatrika ny famaranana, anio, ny GNVB lahy sy vavy.

Voatazona aloha hatreto ny fanamby napetraky ny ekipan’ny Zandari­ma­riam-pirenena. Nambaran’ ny mpanazatra, Razafinjatovo Jean Honoré, tany am-piandohan’ity fifaninanana ity fa tsy hamela ny ekipany ho resy eto ambony kianja izy. Samy nahazo ny tapakilan’ny famaranana hatao anio avokoa, na ny sokajy lahy na ny vavy, ho an’ny GNVB. Raha hiverenana ny lalao manasa-dalana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, azo lazaina ho nivoaka sempotra ihany ny GNVB vehivavy, nanoloana ny Anse Royales avy ao Seychelles. Teo amin’ny “tie break” man­tsy no nahazoan’izy ireo ny fandresena rehefa sahala teo amin’ny seta faha-4, ny fihaonan’ny roa tonta. Araka izany, seta 3 no ho 2 (25-16/12-25/25-19/22-25/15-3) no nada­voan-dry Eugénie sy ny namany ny Anse Royales. Tsiahivina fa nahavita nanalavela ireto ekipan’ny Seychel­les ireto ny ekipa malagasy satria izy ireto no nifanandrina tamin’ny Malagasy nandritra ny famaranana ny lalaon’ny Nosy 2023.

Tsy afa-bela ny Cosfa
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, voatazon’ny GNVB ny maha ekipa malagasy laharana voalohany azy ireo. Nahazo ny fandresena mora foana nanoloana ny ekipan’ny COSFA ny ekipan-dRazafin­jatovo Jean Honoré. Seta 3 no ho 0 (25-16/25-15/25-15) no nandresen’izy ireo ny Cosfa, omaly, teo amin’ny manasa-dalana. Tsara ny fanomanana, hoy ny mpanazatra ka efa nampoizina ny fandresena. Araka izany, tafakatra hiatrika ny famaranana, anio, ihany koa ny GNVB, lehilahy. Araka ny fandaharan-dalao, hifandona amin’ny Tempo Gecko avy ao La Réunion, ny GNVB lehilahy, raha toa ka ny ekipan’ny Saint Denis Olympique avy ao La Réunion kosa no hifanandrina amin’ny GNVB, vehivavy, mandritra ny famaranana anio, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina.

Mi.Raz

Partager sur: