Airtel Africa sy Cisco : ampiasaina ny teknolojia niomerika NaaS

Manitatra ny ambaindain’ny fifandraisan-davitra ny vondrona Airtel Africa. Misy ny fiaraha-miombon’antoka ataony amin’ny orinasa Cisco, ao anatin’ny tolotra NaaS amin’ny lafiny niomerika.

Mihazakazaka ny firoboroan’ny tontolo niomerika aty Afrika. Tsy mitsaha-mitombo ny filan’ny orinasa sy ny mpandraharaha. Izany no antony nametrahana ny vovonana, ny Network-as-a-service (NaaS), ahitana ka­razana tolotra samihafa amin’ny lafiny fiarovana ny antontam-baovao, ny fanaraha-maso, ny fifandraisan-davitra. Sehatra ahafahan’ny mpampiasa sy ny mpandraharaha mampiasa ny tambajotrany ampitain-davitra, fa tsy mila fihaonana mivantana intsony.
Mihena ny masonkarena ampiasaina sy ny fotoana lany, ny fitaovana na kojakoja laniana, sady maro ny olana voavaha amin’ny fampiasana ny NaaS. Ampiasaina amin’ity vovonana ity ny teknolojia avo lenta, ny karazana Cloud Catalyst sy ny Meraki, nasolo ny teknolojia VPN.
Nilaza ny Tale jeneraly ny Airtel Business, Olivier For­tuin, fa ilaina ny fampiarahana ny fifandraisan-davitra aty Afrika, mifanaraka amin’ny fi­lan’ny orinasa tsirairay, azo antoka sy mahomby. Mamaly ny tolotra andrasan’ny mpanjifa matihanina an’ny Airtel Africa ny NaaS, nefa koa mety amin’ny orinasa tena madinika.

Teknolojia avo lenta nefa tsotra
Nilaza i Vish Lyer, filohan’ny sampana famatsiana tolotra ho an’i Azia-Pasifika sy Japon ao amin’ny Cisco, fa mila manana teknolojia tsotra nefa matanjaka ny mpanjifa amin’izao fotoana izao. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Airtel Africa, amin’ny alalan’ny NaaS. Voafehy sy azo antoka ny tolotra, ampiasana ny teknolojia tena avo lenta, nefa tsotra sady mora ampiasaina sy marolafy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: