Ankatoky ny 8 marsa : mila hasongadina ny zava-bitan’ny vehivavy

Ankatoky ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy isika izao. Manamarika ny iray volan’ireo vehivavy izay nandrafitra ny tantara ihany koa i Etazonia. Fotoana handinihina ny anjara biriky entin’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny firenena rahateo izao.
Maneho fahavononana i Etazonia hanohana ny vehivavy amin’ ny sehatry ny fihariana, ny politika sy ny fampiroboroboana ny zon’olombelona ary hiady ho an’ny fahasalaman’ny vehivavy sy ny zatovovavy.
Rehefa salama sy mahita fianarana ny 50%-n’ny vahoaka amin’ny firenena iray ary afaka mandray anjara amin’ny fihariana dia hatanjaka ny fireneny, hoy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Peran­gelo. Mila omena sehatra, araka izany, ny vehivavy ahafahany mitondra fampandrosoana.
Eto Madagasikara, vehivavy ny telo amin’ireo lehiben’ny rafitra efatra mandrafitra ny misiona Amerikanina.
Ny fandaharanasa toy ny « Ambassador’s Self-Help Program » dia manampy ny vehivavy amin’ny fananganana asa fihariana any ambanivohitra ary mampahaleotena azy ireo ara-pivelomana. Eo koa ny fandaharanasan’ny USAID, hampitomboana ny fisitrahana ny fitsaboana sy hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza sy ireo fianarana sy fiofanana ary fifanakalozana. Ireny no mampirisika ny vehivavy sy ny zatovovavy hanatanteraka ny nofiny hanaraka fianarana ambony.
Mila ampanjakaina ihany koa ny miralenta amin’ny sehatry ny fianarana sy ny asa ary ny fitarihana isan’ambaratonga, hoy hatrany ny masoivoho Amerikanina.

Tatiana A

Partager sur: