«Bagasy mazia romotra»: mikendry ny avo kokoa ry Zandry Gasy

Dingana lehibe teo amin’ny tantarany no tafitan’ny Zandry Gasy, omaly. Notetezina tao anatin’ny ora telo ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavin’ny tarika, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Vory ireo mpankafy ny « Bagasy mazia romotra », lasa anarana nampisalorana ny mozikan-dry zalahy ireto. Nahatsapa ilay « Revina Zandry Gasy » araka ny tantaran’ilay hira avokoa ireo mpankafy nameno ny trano. Tetezana mampita ny tarika any amin’ny dingana ambony kokoa iny fampisehoana iny, satria mikendry ny avoavo hatrany ry zalahy.
Nanaitra ny maso avy hatrany ny firafitry ny tarika teny an-tsehatra. Naneho ny fahafenoana kosa ireo hira rodobe niarahan’izy 8 mirahalahy. Mifameno, misy tsikombakomba ary tsapa fa tsara fiomanana ireto mpanakanto ireto.
Hira 36 no nalahatry ry Mbola Talenta sy ny tariny, ary tsy namelan’ny mpijery raha tsy naverina ny « Mahereza » sy ny « Eny Ambanivohitra ». Nasongadina kokoa anefa ireo hira noforonin’ny mpikambana, ary efa maro no tsy afaka am-bavan’ny mpijery, toa ny « Hanina ny taniko », « Patrô gotry », sns. Mandrafitra ny rakikira roa efa nivoaka sy ny fahatelo izay ho avy tsy ela ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: