Nivoaka omaly, teny amin’ny biraon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao voafantina voalohany hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana “Fenêtre Fifa”.
Hotanterahina manomboka ny 18 marsa ho avy izao, eto Madagasikara, ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa ». Miisa 33 ireo Malagasy mpilalao nantsoin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, mpanazatra Barea hiatrika izany. Anisan’ireo mpilalao naverina ao anatin’ity lisitra ity i Hakim Abdallah sy Andriamahitsinoro Carolus ary i Fabien Boyer. Tsiahivina fa tamin’ny fihaonan’i Madagasikara sy Ghana, natao teo Mahamasina, ny 2023 lasa teo no nilalaovan-dry Carolus sy Abdallah ary Boyer farany tamin’ny ekipam-pirenena Barea A.
Ankoatra izay, miisa enina ireo mpilalao vaovao, anisan’izany ry Sonny Laiton, Teva Gardies ho an’ny mpiandry harato. Ry Kenny Lala sy Robin Busset ary i Andry Aurelien, ny eo amin’ny vodilaharana ary i Sayha Seha ny lohalaharana. Miisa 11 kosa ireo mpilalao avy eto an-toerana. Toa an-dry Tendry, Lalaina, Andy, Donga, Dadafara, Aurelien, Tony, Tantely, Rado, Nina, Jean Yves. Tsara marihina fa i Burundi sy Botswana ary i Rwanda no namaly ny antson’ny FMF tamin’ity lalao ara-pirahalahiana hatao eto Madagasikara ity.
Fitia Randria
Lisitr’ireo mpilalao 33 voaantso voalohany :
Mpiandry harato :
Rakotoasimbola Zakanirina (Elgeco Plus), Sonny Laiton, (Aj Auxerre), Teva Gardies (Paris FC)
Vody laharana :
Rabemanantsoa Rado Niaina ( As Fanalamanga), Romain Antony Metanire (Spokane Velocity), Kenny Lala (Stade Brestois), Demoleon Louis ( Budoni Calcio), Razafindrabearimianta Soloniaina Rajo Nirina (St Denis FC), Randrianiaina Tantely (Disciples FC), Fabien Boyer (JS St Pierre), Randriamanampisoa Elysée Tony (Elgeco), Amourson Andriniaina Aurelien (Fosa Junior), Rabarijaona Tantely Avotriniaina (CFFA), Kenji Van Boto (Pau FC), Robin Busset (Stade Lyonnais)
Hirakiraka afovoany :
Manoelantsoa Ando Nampoina (JS St Pierre), Ilaiamaharitra Marco (RCS Charleroi), Rakotoarisoa Tiavina Mickael (Fosa Junior), Raveloson Rayan Ny Aina ( Aj Auxerre), Rakotondrajao Andy Nantenaina (Disciples Fc), Clément Couturier ( Swift Hesperange), Rakotoarisoa Jean Romario Baggio (Jeanne d’Arc), Rafanomezantsoa Lalaina (CFFA), Andriamanjato Tokifandresena Rojolalaina (St Paul)
Lohalaharana :
Loïc Lapoussin (Union St Gilloise), Sayha Seha (Olympique de Marseille B), Randriantsiferana Toky Nantenaina Olivier (St Paul), Randrianantenaina Arnaud (El Gouna), Hakim Abdallah (Dinamo de Bucarest), Randrianarijaona Tendry Manovo Mataniah (Disciples FC), Raheriniaina Ahmad El Hadary Ylan Clovis (St Michel United), Andriamahitsinoro Carolus (OHOD), Razafindrakoto Jean Yvon (Elgeco Plus)