Kandidà depiote Randriamasinoro Tahiry Ny Riana. Atolotry ny vovonana Firaisankina etsy amin’ny boriborintany fahefatra. Sekretera jeneralin’ny Tim ny tenany ary efa kandidà ben’ny Tanàna teto an-dRenivohitra. Ho fantatra tsy ho ela ny kandidàn’ny boriborintany hafa.
Efa eny amin’ny minisiteran’ny Atitany ny taratasy fijoroan’ny Vovonana Firaisankina, ivondronan’ny Tim, ProSiteny, HVM, Tsara Tahafina ary ny APM. Nambaran’ny mpitarika, Ravalomanana fa kandidà tokana no hatolotr’izy ireo manerana ny Nosy amin’ny fifidianana depiote.
Nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny ambasadaoron’i Japon, i Abe Koji, sy ny delegasion’ny orinasa Ambatovy, teny Mahazoarivo, ny herinandro teo. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Teo koa ny momba ny orinasa Ambatovy izay ananan’ny japoney petra-bola be indrindra miasa ao.
Hofanina arakasa ireo voafonja mba ho fanomanana azy ireo hanana anton’asa rehefa mahavita sazy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nitsidika sy nanome toromarika momba izany ho an’ny tao amin’ny fonjan’i Vatomandry ny tenany, ny herinandro teo.