Sambany hisy ny sekoly manofana mpiandry tsatoby eto Madagasikara. Hisokatra manomboka ny sabotsy 9 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja synthètique Betongolo ny Ecole de gardien de but de Madagascar (EGBM). Nanangana izany, Rasolofoniaina Pascal Honoré, mpiandry tsatoby tao amin’ny USJF Ravinala teo aloha ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena. Antony nanosika azy hanao izany ny hampita ny fahaizany ary indrindra ny fahatsapany fa sahirana na klioba na ekipa nasionaly amin’izao fotoana izao, amin’ny mpiandry tsatoby. «Toerana sarobidy ary hiankinan’ny fandresen’ny ekipa iray ny fananana mpiandry tsatoby mahay, saingy matetika tsinontsinoavin’ny olona», hoy i Noret.
Fiaraha-miasany amin’ireo namana vitsivitsy eto an-toerana sy any ivelany ity tetikasa ity ary misy ivontoeram-piofanana any Marseille, France manara-maso akaiky izany. Natokana ho an’ireo ankizy lahy sy vavy latsaky ny 15 taona manam-paniriana te ho lasa mpiandry tsatoby, ny EGBM.
Isaky ny sabotsy manomboka amin’ny 9 ora – 10 ora ny kotrana ka samy mitondra ny fanamiany sy kahie ary fitaovam-panoratana ny kilonga hiofana. Efatra mirahalahy izy ireo no misahana ny fampiofanana ireo ankizy.
Tanjona ny hamoahana mpiandry tsatoby sady manam-batana no mahafehy tanteraka izany toerana izany. Nambaran’i Noret fa tsy ho ary vitany samirery ny famolavolana ireo ankizy koa anaovany antso ho an’ireo mpiandry tsatoby ao amin’ny “Pureplay Football League” (PFL), amin’izao fotoana izao.