Nisy nangalatra ny vy mipetraka amin’ny arofanina, amin’ny tetezana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra eny amin’ny lalam-baovao « Rocade Iarivo », ny volana febroary teo. Nidina ifotony ny ekipa ao amin’ny Fitantanana tohana ho an’ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 1 marsa teo. Nosoloina ny vy nisy nangalatra tamin’ny arofanina, ary vita tao anatin’ny roa andro ny asa. Afaka mampiasa ny tetezana am-pahatoniana ny mpandeha an-tongotra, araka izany.
Migadra 5 hatramin’ny 10 taona
Tsiahivina fa mafy ny sazy mihatra ho an’ireo izay tratra manimba ny fotodrafitrasam-panjakana sady fananana iombonana ho an’ny daholobe. Voasokajy ho anisan’ny heloka bevava ka mampigadra dimy hatramin’ny 10 taona avy hatrany ho an’ny mpanimba sy ny mpangalatra.
Manentana ny rehetra ny minisitera MTP hampandre ny tomponandraikitra raha mahita fanimbana, na fangalarana ny fotodrafitrasa toy izao na hafa.
Njaka A.