Tsy misy ho diso anjara amin’ny fampandrosoana. Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany fa anisan’ny andraikitra iantsorohany ny fiahiana ny eny ifotony. “Samy hisitraka ny tetikasa avy amin’ny fanjakana sy ireo mpamatsy vola avokoa na ny kaominina madinika na ireo kaominina an-tanànan-dehibe”, hoy izy, teny Andafiavaratra, Ambavahadimitafo, ny sabotsy teo. Notokanana tamin’izany ny takelaka ho an’ny tetikasa lalankely iarahana amin’ny mpamatsy vola : Vondrona Eoropeanina (UE), AFD sy ny masoivohon’i Frantsa, miaraka amin’ny CUA. Nambaran’ny minisitra fa maro ireo misitraka tombontsoa amin’ny fandaharanasa Padeve II amin’ireo tanàn-dehibe na ny tahaka izao tetikasa eny anivon’ny kartie izao. “Misongadina ny fahavitan’ny lalankely andiany III ety amin’ny tanàna avo ary ho avy koa ny lalankely fahefatra… Maro koa anefa ireo mbola hatao”, hoy izy. Nanteriny fa efa nahazo PDS, Antananarivo ary hahazo ben’ny Tanàna amin’ny novambra ka hitohy izany asa izany ary ho voalanjalanja arakaraka ny mponina ny fahazoana ny tetikasa. Anisan’izany ny eny amin’ny faritra iva eo koa ny tanàna ambony. Tahaka izany koa ireo kaominina manodidina, ankoatra ireo tanàna hisitraka tetikasa hafa avy amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombona antoka.
Tsiahivina fa nahazo tombontsoa ireo mponina maherin’ny iray tapitrisa amin’ny tetikasa Lalankely. Miisa 27 ireo kaominina manodidina nahazo izany raha 22 kosa ireo fokontany. Anisan’ny fotodrafitrasa, toeram-pidiovana sy fanasana lamba, ny rano fisotro, ny lakandrano, ny tohatoha-bato, ny sisin-dalana. Eo koa ny trano famakiam-boky, ny kianja ho an’ny baskety, ny toerana maitso…
Synèse R.