« Rallye moi(s) théâtre » 2024: hahazo tombony ny vehivavy sy ny ankizy

Teny amin’ny SMAK Ambohimangakely indray no nanatanterahina ny andro fahatelo amin’ny « Rallye moi(s) theatre” (RMT) andiany fahafito. Ho tohin’ny andro voalohany sy faharoa, hetsika maro no nentina nanamarihina izany. Anisan’izany ny atrikasa sy fampisehoana maro. Mpahay kanto manana ny maha izy azy, eo amin’ny sehatry ny kanto isan-karazany ihany koa no nitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony tamin’izany. Hitohy ny alarobia sy zoma izao ny hetsika.
Atrikasa famoronana an­ka­mehana eo amin’ny sehatry ny teatra, niarahana tamin’i Nathalie Rason. Atrikasa fanoratana eo amin’ny fiangaliana Slam, niarahana tamin’i Na Hassi, seho angano sy teatra no nandravaka ny andro fahatelon’ny “RMT2024”. Araka ny teny filamatry ny andiany manao hoe “les Femmes et les en­fants d’abord”. Hahazo vahana manokana ny zaza amam-behivavy amin’ity hetsika ity. Hisy ny andian’angano laroana mozika, nampitondraina ny lohateny hoe « Arira arira ». Eo ihany koa ny teatra arahina mozika, nampitondraina ny lohateny hoe “L’enfant et le tambour de nuit », nosoratan’i Jean Luc Raharimanana.
Lanonana lehibe eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely kosa no hamaranana ny hetsika. Hisy ny famakiana ny tantara “Martyr”, nosoratan’i Gad Bensalem. Eo ihany koa ny seho teatra “Vanité”, iarahana amin’i Fela Razafiarison sy Hoby Rajoelison ary Nathalie Rason.

Lin

Partager sur: